Ny hirako
Les Frères Arthur
Ny hirako
N’aiza n’aiza misy ahy
Tononkira no eto am-bavako
Tsikitsikin-jazakely
No handravaka ny tavako
Ka na zovy no handrafy
N’iza n’iza hampimalo
Ny fiainako rehetra
Hofenoiko kalokalo
N’aiza n’aiza misy ahy
Tononkira no eto am-bavako
Tsikitsikin-jazakely
No handravaka ny tavako
Ka na zovy no handrafy
N’iza n’iza hampimalo
Ny fiainako rehetra
Hofenoiko kalokalo
Tsy mba vola na harena
No nangoniko, nangoniko tetoana
Na karazan-drendrarendra
Mora simba, mora simba mora foana
Eny, na dia lasana aho
Noho ny tany fandalovana
Mety hisy alahelo
Amin’ny androm-pahatsiarovana
Nefa ireto tononkira
Raha sendra manina ahy
No ataovy ambany maso
Hampitsiky ny fanahy
Fa amboaram-betsovetso
No apetrako, apetrako ho lova
Hampiray hatrany hatrany
Ireo taranaka, taranaka handova
Eny, na dia lasana aho
Noho ny tany fandalovana
Mety hisy alahelo
Amin’ny androm-pahatsiarovana
Nefa ireto tononkira
Raha sendra manina ahy
No ataovy ambany maso
Hampitsiky ny fanahy
Ramaroson Arthur
Les Frères Arthur