Ny hira sy mozika

Salomon

Ny hira sy mozika


V : Ny hira sy mozika
Natao hiainantsika
Hamelona eto izao
Ty ventson’olondroa tsy mety mifandao
Duo : Fehezan-kira iray
Ho anao mandrakizay
Ho tsaroana sy kalokaloina
L : Ela niandrasana ty foko niolomay hatramizay
Te hampiara-peo indray
hiombon-kira aminao //2


Duo : Hihira aho ho anao
Ho ren’izao tontolo izao
Ny fo sy saina hifangia
V : Hiara-paly sy hirihariha
Duo : Hihira aho ho anao
Mandra-piavin’ny hariva
V : Ho tadidy anatiko ao
Duo : Ny feonao toa feon’antsiva //2


·