Ny hazo nijaliany

GAFLI

Ny hazo nijaliany




  1. Raha sendra mba tsipalotrao ny hazo
    Ny hazo nijalian’ny Tompo tia
    Mba azonao alaina sary an-tsaina
    Ny havesatry ny ziogan’i Kristy


    Ref: Ry olona ô, mba fantatrao
    ‘Lay hazo nentin’i Jeso
    ‘Zay nilanjany ny otanao
    Fa teo no nampihavanana ny olona amin’ny Ray
    Fampihavanan’i Jesosy




  2. Raha tazanao ’lay tanambokovoko
    Hevero re ny fijaliany
    Tsy nahasakana an’ilay Mpamonjy
    Ireo ratra maro niafiany


    Ref: Ry olona ô, mba fantatrao …




  3. ‘Lay hazo nijalian’i Jeso Tompo
    Mitory ny fitiavan-dehibe
    Sy fahafatesana ‘zay ratsy indrindra
    Mba hamonjena olo-marobe


    Ref: Ry olona ô, mba fantatrao …




·