NY HAFALIANA

AMPIZIFA

NY HAFALIANA


Ny hafalian’ny fo no indro hasandratray
Ho fanehoana tokoa ny antranao ry Ray
Na dia mpanota sy tsy mendrika indrafo
Tsy diso anjara izahay f’omenao soa ka:


Faly ry Tompo tsara ô!
Noho ny Fitiavanao tsy lany
Ravo, manandratra avo
Ny fahasoavana narotsakao


Raha vao maraina mifoha ny tonom-bavakay
Dia ny hitantananao Ray ny androm-piainanay
N’inona zavatra atao, apetraka Aminao
Satria Ianao Ray Tsitoha mpitantana, ka:


Faly ry Tompo tsara ô!
Noho ny Fitiavanao tsy lany
Ravo, manandratra avo
Ny fahasoavana narotsakao


He! ravoravo ny fo, fa voavonjinao
Navelanao avokoa ireo fahotanay
‘Reo fahalemenay anie, tsy notsarovanao
Fa nosoloinao ireo famindrampo, ka:


Faly ry Tompo tsara ô!
Noho ny Fitiavanao tsy lany
Ravo, manandratra avo
Ny fahasoavana narotsakao


Faly ry Tompo tsara ô!
Noho ny Fitiavanao tsy lany
Ravo, manandratra avo
Ny fahasoavana narotsakao
Ho anay… ho anay
Ho anay…ho anay


AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)


·