Ny Gasikarako

FEO'S BAND

Ny Gasikarako


Gasikara Tanindrazako
Tany Masina
Ny hala mandrakotra azy
Dia tsara avokoa
Gasikara nosy mamiko
Harena ho ahy


Ny Malagasy namako sy havako
Ireo biby rehetra rehetra ananako
Ny natiora izay hiainako
Reharehako


Ka na hantra na harena no hiainako
Ny fireneko izay mandroso no tanjoko
Mba ho tany mendrika ny Gasikarako
Gasikarako


Ho koloiko hatrany hatrany ny taniko
Mba ho feno hasina sy aina koa
Anjakan’ny fifaliana tokoa
Ny Gasikarako


·