NY FOKO MANONTOLO

IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka

NY FOKO MANONTOLO


1-Ny foko manontolo
Omeko Anao ry Tompo
Mba henoy re ny feoko mitalaho koa
Tsy afaka miasa ny vatatenanay
Raha tsy ianao irery (no) manome hery anay


Fiv: Ento moramora ny fitiavam-bola
Tsy hanaradia antsika ny vola raha tonga ny ora
Ety an-tany ekena fa vola no mahery
Fa any andanitra any ny vola dia tsy mba manan-kery


2-Raha misy mpanambola te hisandratra eo ambony
F’izany no ilainy mahafaly ny fony
Amin’izay le mafy ady
Voatery miafiafy
N(a) aty am-piangonana aza dia afara place e


3-Tanora ianao ary tena tovolahy
Ka zatra manenjika ireo tovovavy
Raha azonao atao mifidiana anankiray
Dia tonga dia ataovy raharaha mariazy


4-Tanora ianao ary tena tovovavy
Ka zatra manenjika ireo tovolahy
Tandremo ry tanora ny kamarady ratsy
Matetika izy ireny mampivarina any ankady


                                                                                    (Hira nindramin’ny IRAFIA)

·