Ny fo madio

CTLI (Chorale Taratry ny Lanitra Isoavinandriana mananara)

Ny fo madio


1/Ny fo madio sy masina no mendrika hidera Anao Jeso
Ny olo-marina no mendrika hanonona ny anaranao
Izay nandray ny fanahy masinao
No sitrakao hidera sy hankalaza koa ny voninahitrao


ref: satria masina tokoa Hianao Ry Ray
ka mankahala ota sy haratsiam-panahy
Kanefa Hianao dia mbola vonona ny handray
Anay mpanota izay nania hatrizay


mpanota oh avia re ka manantona
tapaho ny hevitrao andeha ka mivonona
koa faingana ianao
banjino Jeso
fa sas-miandry anao.


2/Izaho koa Ry Tompo mba maniry ny te hankalaza Anao
fa mamiko indrindra ny hanandratra ilay fitiavanao
malemy anefa ka tsy mendrika ty zaho
kanefa manantena famonjena noho ny ran’ny zanakao.


·