NY FITIAVANAO
SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY
NY FITIAVANAO
He tsaroako anio ny namonjenao ahy
T’anaty haizina mangitsokitsoka
Tsapako tokoa ny fitiavanao ahy
Isaorako anao ry Ray
He tsaroako anio ny niaretanao
Ny kapoaka mangidy nosotroinao
Eny, hatramin’ny ainao dia nafoinao
Lehibe ny fitiavanao
He tsaroana foana ny fitiavanao
Mba tsy ho very maina ny rĂ latsakao
Fa hitondra aina sy hanafaka
Ireo maty ho velomina
FAMERENANA
Inona ary moa
No avaliko
Ireo fitahiana tsy hita noanoa
Inona ary moa
No havaliko
Ilay fitiavanao tsy manampaharoa
Raiso re Tompo
Anjakao ny foko
Ho tena lapanao tokoa