Ny fitiavanao

Oriela

Ny fitiavanao


Ny fitiavanao ry Tompoko malala
No nampianatra ahy hitsinjo hahalala
Ny hoaviko tsy haiko na ho mamy na hangidy
Ny sitrakao ihany ( ry Raiko Tompo tia)
No (raisiko ho) safidy


Ref:
Fa tsy afaka ato an tsaiko ny dinitrao ry Tompo
Nanavotra ny aiko, dia izaho izay maloto
O! O! O! Fa mamiko raha mamy ny eo anilanao
Ho levona, ho rava, ho foana ny talaho
Ny fitiavanao no tiako fa tia ahy


Ny fitiavanao, eny Ianao irery
No hany sahy mijoro, miaro tsy an-tery
Niaritra ny mafy sy nizaka fahoriana
Raha eo an-tratranao (ry Tompo tia)
Tsy (haiko ny) hangina


·