NY FITIAVANAO

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

NY FITIAVANAO


Ny fitiavanao Jesoa ô! Tompo sy Mpamonjiko
Fitia tsy mba manam-petra, fitiavana madio satria
Natolotrao ny ainao mba hamonjenao ny olonao
(Natolotrao ny fitiavanao Jesoa)
(Natolotrao ny fitiavanao, ny fitiavanao)
(Natolotrao mba hamonjena ny olonao)
Fitia mampianatra anay mba hifankatia (Izahay)
Hifampitsimbina (ary) hifampitondra koa
Satria ny fitiavanao mamelona


Ny fitiavanao ry Jesoa ô!
(Tsotra sy marina tokoa ny fitiavanao Jesoa)
Ny fitiavanao ry Jesoa ô!
(Madio sy marina tokoa ny fitiavanao Jesoa)
Zava-mahagaga anay ny fitiavanao (Jesoa)


·