NY FITIAVANA NO DIDY

Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)

NY FITIAVANA NO DIDY


Hafatrafatra ho anao
Izay napetraky ny Tompo
Ilay didy vaovao
Ho anao


mba mifankatiava tsara
Ary koa miraisa hina
Fa izany no takiana
Aminao


Ref/Ny fitiavana no didy
Lehibe sy ambony indrindra
Ary tena sarobidy
Ka tsy voavidy


Fa ho sambatra tokoa
ka ahazo valisoa
Izay mahay mifankatia
Sy miara-dia


Tiavo re ny namanao
Tahaka ny tenanao
Ary tiavo koa Jehovah
Tomponao


Ka ny fitiava-tena
Dia tena ho resena
Tanterao re lay didy
Vaovao


Ref/


·