NY FITARAINAKO

RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY

NY FITARAINAKO



  1. Na dia mavesatra ny ady sedraiko
    Tena mandratra ny fo sy ny saiko
    Eny fa mila hahafaka ny aiko
    Jesôsy ô, ny anaranao ihany no hoderaiko


REF:Jesôsy ô, mitety onja sy alon-drano
Noana sy magetaheta ka fahano
Tsy misy azoko antsoina afa-tsy Ianao
Hanampy amin’izao adiko izao



  1. Ny fendrofendro sy ny sentosento
    Ny setrasetra tsy maintsy reseko
    Ny ankasomparan’ireo fahavalo
    Jesosy ô, raha mety Ianao dia anio atsaharo


REF:Jesôsy ô, mitety onja sy alon-drano
Noana sy magetaheta ka fahano
Tsy misy azoko antsoina afa-tsy Ianao
Hanampy amin’izao adiko izao


A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO


·