Ny Finoana

BITSIKA Mandroseza

Ny Finoana


Mandrosoa lalandava amin’ny finoana masina indrindra
Tehirizo am-pitiavan’ny Ray tsitoha ny tenantsika
Fa miaro antsika tsy ho tafi-tohina Izy
Ka nametraka antsika amin’ny voninahiny
Izy no tompon’ny fahefana ankehitriny
Izy no tompon’ny fahefana mandrakizay
Ampitomboina ho anareo anie, ny fahasoavana amam-piadanana
Hizoranareo amin-kafaliana amin’ny fitiavan’ny Ray malalantsika


Misy ireo olona sasany, ratsy fanahy sy mamadika ny fahasoavan’Andriamanitra,
Ka ny làlany tokony hizorantsika dia narindrany sy nalaminy; Jesoa no mendrika harahintsika.


Izy namonjy ireo tany Ejipta. Nisaraka roa ny ranomasina. Naringany koa ireo nanenjika.
Hiezaka isika handré ny teniny, hanoa sy hanaraka izay lazainy; Jesoa no mendrika harahintsika.


Ho avy tokoa ny Tompontsika arahin’ny Masina an’alina hitsara ny olona tsy ankanavaka.
Ny Finoana no fiadiana azo antoka entina miady amin’ny fahosana; Jesoa no mendrika harahintsika.


·