NY FIKASAKO
RyKala Vazo
NY FIKASAKO
Mama a!
Fetinao ny androany e
Atsaharo ny tomany ka
Etsy ho fafako izato ranomaso
Raha ny ditraditrako
Sy ny hadalako koa
No mampahory anao toy izao
Aleo fa hiezaka aho
Atomboko androany
Tsy am-bava na hanihany e
Fa tena avy ao am-po sy tena fikasako
Ny ho tonga olom-banona ho lavitry ny ankaso
Na dia tsy moramora fa
Mila fahazotoana
Inoako fa ho tratrako ny tanjona andrasako
Rehefa eo ianao, manohana tsy miato
Tiako ianao hifaly e
Fa fetinao ny androany e
Avelao hivalona any ny sentosento sy alahelo
Izay mampitomany
Fa fetinao ny androany e
Tiako ianao hifaly e
Tsikitsiky, kalokalo, hirahira sesilany
No andeha hasetry izany
O o o! Mamako
O o o! Tiako
Neny o!
Tsy ho an’ny anio ihany anie
Raha toa miteny izany fa
Tiako mba hitoetra
Amin’ny andro rehetrarehetra
N’aiza n’aiza alehako
N’inoninona ataoko
Dia ho tsaroako an-dohako ao
Irony anatranatrao
Ny ahatafita ny taranany
No tena fahasambarany
Hitafy fahendrena sy fandavan-tena
Ho tonga olom-banona, haren’ny firenena
Na dia tsy moramora fa
Mila fahazotoana
Inoako fa ho tratrako ny tanjona andrasako
Rehefa eo ianao
Manohana tsy miato
Tonony sy feony : vanintsoa