NY FIFANKATIAVANAY

Daniel RANOASON

NY FIFANKATIAVANAY


Dô dia F


1-Maminay loatra re ireo torolàlana
‘Zay nomenao anay, ry Jeso Fitiavana
Olom-boafidinao sady irakao ‘zahay
Eto anivon’ny tontolo iainanay!


Isan’andininy:


Ny fifankatiavanay no hahalalana
Sy hahafantaran’ny olona fa mpianatrao‘zahay
‘ Zany no toetra soa hanehoanay fahazavana
Eto anivon’ny tontolo iainanay!


2-Anoloan’ny asa izay anirahanao anay
Dia ny firaisan-kina no liana anananay
Didy vaovao Jeso ny ifankatiavanay
Eto anivon’ny tontolo iainanay!


3-Fifaliana ho anay, ry Jeso Mpanjakanay
Ny hanoa sy hankatoa ‘zay atoronao anay.
Nefa koa aok’Ianao hiara-dàlana aminay
Eto anivon’ny tontolo iainanay!


Dany RANOA 2008


·