Ny fiangonanao

Akon'ny Lanitra Ambohidratrimo

Ny fiangonanao


Izahay ry Andriamanitra o
No olona izay nofidinao
Hiara hiasa amin’ny Lanitra
Eo ambany fitarianao
Saingy tsy mendrika anefa izahay
Noho ireo fahotana vitanay
Fa manantena kosa mba hamindranao fo


Koa mba ampio ny olonao
O mba tariho ireto zanakao
Satria fiangonanao izahay
Vonona hanaraka Anao mandrakizay


Ity fiangonanao ry Ray dia mila ny herinao
Ahafahanay mamita ny asanao
Koa arotsahy ny Fanahinao Masina
Amin’izao fiangonana izao


Izahay ry Andriamanitra o
No olona izay nantsoinao
Hamita ny asa fitoriana
Eo ambany fitarihanao
Saingy tsy ampy anefa anie ny herinay
Koa mangataka Aminao Ilay Fanahy
Hirotsaka aminay ka hampahery indray


A/C: Rizia Rbrl


·