Ny fiainana an-tany

Tanora Masina Itaosy

Ny fiainana an-tany


Johin-dranomaso ve no asetrinao ny tompo
Ankivina lava miampy sento sy toloko
Raha ny faoriana nentin’i jesosy taminao
Dia tsy ho zaka n’inona hatao
Hazo finjaliana tsy mba manampaharoa,
Nentin’Izy Tompo sy fiafiany tokoa
Koa ’ndeha hatrakao ny loha, omeo ny entanao,
Fa izy efa nanafaka anao


Fiverenana :
Indro jesosy ô
Mba raiso ny tanako!
Diovy ny foko ho
Lapanao tokoa (bis)


Ny fiainana an-tany anie mandalo fitsapana
Maro zavatra sendraina angamba lalana hombana
Ny finoana ao anatinao no hazomy sy hajao
Mba hampiray ny Tompo aminao
Izy no mitarika ny lalana mankany,
Sady manamboatra toerana any an-danitra any
Lova sarobidy izay nomeny ho anao
Raiso izy anio fa tsy hanenenanao!


Fiverenana : Indro jesosy ô … (bis)


·