NY FIAINAKO JESOSY

Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha

NY FIAINAKO JESOSY


NY FIAINAKO JESOSY


Ny fiainako Jesosy tiako havaozinao
K’izay rehetra hataoko, na hira na lalao
Dia samy haneho ny voninahitrao Tsitoha
Ka tsy hataoko intsony izay tsy mahasoa


Arovinao ny foko fa sarotra ny dia
Ilay satana ratsy mikendry hampikodia
Tantanonao hatrany amin’ny làlanao
Ka ho ankizy vanona sy manaja Anao


Ampianaro ho tia ny teninao Tompo o !
Hazoto hiaino izany ary ho mpankato
Amboary koa izahay ho tia vavaka
Ka ho ankizy masina tena miavaka


·