NY FIAINAKO

AFAFI Taninanandrano

NY FIAINAKO


Hiaraka Aminao no ventso tao am-po
raha vao nandray ny famindram-po
Tsy nandatsa ahy Ianao
tamin’ireo ditra izay natao


Nitebiteby mafy ny fo, menatra tokoa
Nanahy aho sao Lavinao
Nandadilady niondrika ny loha
indro Ianao Ry Ray, nanavao indray ny fiainako


Sarobidy tamiko ny Anaranao
‘Zay fiantsoko rehefa hivavaka aho
Tsy niavona am-po tokoa
fa nanome fiandanam-po


·