Ny fiainako
KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena
Ny fiainako
Ny fiainako ry Tompo o ampelatananao
Tsy misy hatahorako satria aho efa Anao
Na mafy aza izay ataon’ireo fahavaloko
Tsy misy hampaninona ahy satria arovanao
Hianao anie ry Tompo no harambaton’ny fiainako
Ianao no ilay maharitra mandrakizay e
Sasapoana anie ireo fahavalo izay tsy tia
Fa Ianao no manda mafy miaro ahy
Ireo fakampanahy mikendry hamotraka ahy
Mikasa mba hamery ny ho avin’ny fiainako
Kanefa Ianao ry Tompo o dia ampy hanohana ahy
Ka tsy voagejan’ny satana raha eo anilanao