NY FANIRIAKO

Ny ANTSAN'NY FAMONJENA

NY FANIRIAKO


Maniry mafy ny hitazona amin’ ny sandrinao mahery
Hisarangotra hamikitra amin’ny tanam-bokovoko
Dia ilay hazo fijaliana namonjenao olom-bery
Eo no ataoko fialofako, eo no honina ny foko


Maniry mafy ny ho voadio tamin’ny ra nalatsakao
Ilay ianao nisatro-tsilo sy voakapoka
Nofantsihana aza ianao, noesoina, novoinoina
Injany reko toa manindrona ahy, ireny fantsika natsatoka


Ny faniriako e!
Tsy ny hanao ny sitra-poko izay tsy mendrika aminao,
Ka hivily lalan-kafa, amin’ny fanaranam-po
Tsy izay no iriko,
Fa ny faniriako e!
Dia ny hiankohoka hitoetra eo ambany sandrinao
Ka ny teninao, ny teninao no ao am-poko.


Ny faniriako e!
Tsy ny hitady voninahitra amin’ny asa fanompoana
Ka handray valim-pitia, dieny mbola ety an-tany
Tsy izay no iriko,
Fa ny faniriako e!
Dia ny ho voasoratrao ny anarako raha tonga ny fotoana
Ka hotaomin’ny Mpamonjy, hiditra ny fanjakany.


·