Ny Fanantenako

Rivomanana6263

Ny Fanantenako


1Ny fanantenako tsy ho levona mandrakizay
Dia ny hiaraka handova aminao ry Ray
Tsy mampaninona aloha zay fiainako anio
Fa izay no sitrakao ka ekeko am-po madio


Ref:Efa fantatrao ny fiainako,tsisy miafina aminao ny fisainako
Ny fanantenako dia tsy mba ho foana hiaona aminao rehefa tonga ilay fotoana


2Voafidinao aho mba ho zanaka tiana
Anao ny adiko fa izaho dia hangina
Izay tendrinao rehetra tsy maintsy ekena
Satria avy aminao anie ny famonjena
.Ka na inona inona zavamiseho eto an-tany
Ny fanantenako anie tsy ho ravan’izany
Ka na aiza na aiza no aleha ninon’inona atao
Ny fanantenako anie napetrako aminao


·