NY FAHEFANAO

AMPIZIFA

NY FAHEFANAO


Ny fahefanao Jesoa, tsy hay tohaina mihitsy
Mihatra, miasa aminay
Ianao no mitantana, mihazona ny aiko
Ianao no manendry ahy


Ka ravoravo ery ny foko, fa nofinidinao hiasa indray
Handeha sy hamoa, hampiely tokoa ny Teninao
Na dia mpanompo tsy mahasoa
Tsy avelanao izahay ny ho very
Fa nomenao asa hitory indray ny Filazantsara


Havaoziko eto indray ny fanolorantena
Ho Anao, hiasa, hanompo
Inty aho raiso Jesoa fa vonona ny ho Anao
Hanaiky ny ho irakao


Ka ravoravo ery ny foko, fa nofinidinao hiasa indray
Handeha sy hamoa, hampiely tokoa ny Teninao
Na dia mpanompo tsy mahasoa
Tsy avelanao izahay ny ho very
Fa nomenao asa hitory indray ny Filazantsara


Ny androko ho avy rehetra, ankinina Aminao
Fenoy indray ny Fanahy
Ka n’aiza n’aiza haleha, na inona atao
Ho Anao, ho Anao irery


Ka ravoravo ery ny foko, fa nofinidinao hiasa indray
Handeha sy hamoa, hampiely tokoa ny Teninao
Na dia mpanompo tsy mahasoa
Tsy avelanao izahay ny ho very
Fa nomenao asa hitory indray ny Filazantsara


Ka ravoravo ery ny foko, fa nofinidinao hiasa indray
Handeha sy hamoa, hampiely tokoa ny Teninao
Na dia mpanompo tsy mahasoa
Tsy avelanao izahay ny ho very
Fa nomenao asa hitory indray ny Filazantsara
Fa nomenao asa hitory indray ny Filazantsara


Antoko MPIhira ZIona FAhazavana Anosibe AMPIZIFA


·