NY FAHATAHORANA NY TOMPO

Chorale Antsan' Ivontovorona

NY FAHATAHORANA NY TOMPO


Ny fahatahorana ny Tompo,
dia haja amam-boninahitra
ary fifaliana mampiravo fo
mahalava ny andro iainana


Ny fahatahorana ny Tompo
no fiandohan’ny fahendrena
ary mampandrooso fiadanana
sy ahazoana famonjena


Ny loharanon’ny fahendrena
dia ny tenin’Andriamanitra
ary ny firtandremana ny lalàny
dia manakana ny fahotana


Fiv:
Maniry fahendrena va ianao?
Tandremo ary ny didin’ny Ray
fa ny fahendrena sy fahalalana
dia ny fahatahorana ny Tompo


A/C: HERINIAINA Tinasoa Elysé (Octobre 2014)


·