NY FAHASOAVANA

APF TANGAINA

NY FAHASOAVANA


Ny Fahasoavan’i Jesoa Kristy
No naha toa izao anay
Ny Herin’ny Tsitoha miasa tokoa
Niaro sy nanohana anay
Fa nisy ny zava-nihatra tety
Kanefa tsy kivy na ketraka re
Jesoa no nitahy nanentana anay
Hitory ny fitiavany


Ny andro rehetra nomeny anao
Hapetraka eo Aminy
Fa jesoa Irery no hany mahay
Izay mahasoa ny fiainanao
Ianao mihaino manatrika izao
Matoa ianao mbola manandram-peo
Jesoa no nitahy nanentana anay
Hitory ny fitiavany


·