Ny Fahalehibiazany

FEO'S BAND

Ny Fahalehibiazany


Endrey ny voninahitrao
Ny Fahalehibiazan’ny herinao
Talanjona avokoa ny manodidina ahy
Mibanjina izay vitanao


Ny fahasoavanao
No nahatoy izao ahy
Tsara avokoa ny Teninao
Mahatonga ho olom-baovao


Ref:
Mpanjakan’ny mpanjaka
Tompon’ny laka
Rain’ny fahazavàna
Tompo sy mpamonjy ahy


Marina tokoa Ianao
Ny fitiavana aseonao
Tsy mihova ho mandrakizay
Hery mampijoko ahy


……..Ka na reraka aho na lavo
Tsy hisaraka aminao
Na mamely koa ny fahorin’izao tontolo izao
Andry ny foko Ianao


·