Ny eto sy ny any

Rbrl

Ny eto sy ny any


Mahagaga ve izao zava-mitranga izao
Ny hasarotam-piainana miseho
Ny sakaiza mandao
Dia lazaiko anao fa efa voasoratra izany
Ny afaka hampitraka anao
Dia Jesosy ihany


Fa raha ny fiainana dia tsy maintsy miha ratsy hatrany
Fa raha ny eto an-tany dia tsy azo hanankinam-po
Fa miha potika sy lo


Zay atao rehetra dia ataovy am-pifaliana
Aza miandry valisoa na koa fankasitrahana
Dia katsaho ny fahamarinana sy ny fanjakany
Dia hanampy anao zany rehetra izany


Fa raha ny fiainana…
Fa any an-danitra any dia hafaliana hatrany2
Ka ny sento sy tomany dia ho foana avokoa, tsy hisy intsony
Ary ilay Ray ambony dia azo hanakinam-po
Hanome anao ny soa


A/C : Fitiavana Rbrl


·