NY EO ANILANAO

None

NY EO ANILANAO


1-Tompo ô eo aminao no apetrako izao
Zay momba ahy rehetra sy ireo sisa iainako
Tsapako eo aminao misy Fiadanana
Mandrosoa ato anatiko Ianao Tompo ô


FIV :Fifalian’ny foko ny mitoetra anatinao
HAsambarako ny eo anilanao
Ireo kinasako sy izay rehetra mahasoa
Inoako fa efa voalahatrao (Jesosy ô) o!


2-Jesosy ô tohano aho fa hiankina Aminao
Amaivano ny vesatry ny fiainako
Fa eo akaikinao no mahatsara ahy
Satria Fitsaharana Ianao, Jesosy ô


Berova
Febroary 2022


·