NY DINITRY NY TOMPO

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

NY DINITRY NY TOMPO


Ny dinitry ny Tompo raha nipotraka
Dia fanekeny izay tinendrin-dRainy
Ny varavaran-danitra nisokatra
Nosantatry ny fiainana zarainy


Ny mangidy notsakoiny
Hozakainy samy irery
Hatramin’ny ainy no nafoiny
Hamonjeny olom-bery
Ny hetraketraky ny tany
No naningotra ny ainy
Ny olo-bery nozahany satria lalainy


Ilay kapoaka nahitany ngidiny
No zary fifaliana ho antsika
Ny ngidy izay nateliny tsy fidiny
No tonga ranon’aina mibotsiaka


Ny mangidy notsakoiny
Hozakainy samy irery
Hatramin’ny ainy no nafoiny
Hamonjeny olom-bery
Ny hetraketraky ny tany
No naningotra ny ainy
Ny olo-bery nozahany satria lalainy


Ny dinitry ny Tompo zay nipotraka
No namonjena antsika ondry very
Nogeazan’ ota hana sy efa trotraka
He vohavaha ny gadra izay nanery


Ny mangidy notsakoiny
Hozakainy samy irery
Hatramin’ny ainy no nafoiny
Hamonjeny olom-bery
Ny hetraketraky ny tany
No naningotra ny ainy
Ny olo-bery nozahany satria lalainy


·