NY ANTSONY

Yavo Ramanantoanina

NY ANTSONY


Raha mahatsiaro ho irery ianao ka mitomany
Fa mafy ny onjam-pianina mianjady
Tsarovy fa mbola misy Ray tia anao any ho any
Miandry ny hiverenanao Jeso tia


Raha mbola matory ianao ô! Mifohaza
Dia valio ny antsony hoe :avia
Fa nofy ratsy anie no niainanao
Ka henoy ny antsony mitalao ,mitalao


Tapaho ny hevitrao sao ho tara
Ny tanjony dia ny hamonjy Anao
Mba tsinjovy re ny hoavinao any afara
Ka henoy ny antsony aminao


Raha mbola matory ianao ô! Mifohaza
Dia valio ny antsony hoe :avis
Fa nofy ratsy anie no niainanao
Ka henoy ny antsony mitalao ,mitalao


·