NY ANTSONAO
STK FJKM Ambatomena Antananarivo
NY ANTSONAO
Ray ô ! tsaroako ny hadisoako
Ray ô ! Nataoko teo imasonao
Ny adalana ‘zay tsy foiko
Nandavako ny antsonao
Manomboka ankehitriny
Ny foko omeko Anao
Sasao madio tsy hisy tsiny
Ho mendrika Anao
Ny androko sisa rehetra
Apetrako an-tananao
Ny androko sisa manontolo
Ray ô ! Dia hanompoako Anao
Tsy avelako ho bobongolo
Ho valin’ny antsonao
Manomboka ankehitriny
Ny foko omeko Anao
Sasao madio tsy hisy tsiny
Ho mendrika Anao
Ny androko sisa rehetra
Apetrako an-tananao