Ny antom-pisiako

Ny Avo

Ny antom-pisiako


(Antom-pisiako Ianao)x2


Ny antom-pisiako hitory Anao
Eran’izao tontolo izao
Ny antom-pisiako hanompo Anao
Ny hatanorako atokako
Hanambarako teny soa
Amin’ireo reraka am-po


Ref:
Satria nateraka aho hanompo Anao
Tsy mila tambiny afats’ilay
Paradisa soa honenako aho
Tompo ô! Tsy ho reraka aho hilaza hoe:
Ianao no ataoko ho rehareha
na aiza aleha
Ny antom-pisiako hanompo Anao


Ny antom-pisiako hanambara
Hitory ny filazantsara
Amin’ireo tsy mahalala
Volamena ato am-poko ny Asanao
Harena tsy foiko ny Asanao
Ny antom-pisiako dia Ianao


(Antom-pisiako Ianao)
Ny antom-pisiako re ry Ray
(Antom-pisiako Ianao)
Hanompo Anao mandrakizay
(OOOooo…)


Satria nateraka aho hanompo Anao
Tsy mila tambiny afats’ilay
Paradisa soa honenako aho
Tompo ô! Tsy ho reraka aho hilaza hoe:
Ianao no ataoko ho rehareha
na aiza aleha
Ny antom-pisiako hanompo Anao
(Antom-pisiako Ianao)
Ny antom-pisiako hanompo Anao
(Antom-pisiako Ianao)
Nateraka aho hanompo Anao
(Antom-pisiako Ianao)
Tsy ho reraka aho hanompo Anao
(Antom-pisiako Ianao)
Hitory Anao mandrakizay


·