Ny Anjarako

NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana)

Ny Anjarako

Efa voahomanao ny toerako raha miala ety
Ny Tànanao mitsotra handray ahy ry Jesoa tia
Fiadanana mandrakizay no hany anjarako ary
Noho ilay finoako Anao, finoako Anao tsy maty

Ny anjarako dieny ety, mino Anao, matoky Anao
Ny anjarako dieny ety, tsy miala Aminao ho doria
K’izay itoeranao sy itoeran’ireo voahavotrao
No hitoerako mandrakizay ao Aminao

Izao fiainana itoerako tsy aharitra
Aleo mibanjina ’lay toeran-tsoan’ny Lanitra
Fahasambarana tsy ho lo no hany anjarako ary
Noho ilay finoako Anao, finoako Anao tsy maty

Ny anjarako dieny ety, mino Anao, matoky Anao
Ny anjarako dieny ety, tsy miala Aminao ho doria
K’izay itoeranao sy itoeran’ireo voahavotrao
No hitoerako mandrakizay ao Aminao

Interlude
“Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy
Dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika (I Kor 15:19)
Fa izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy (Sal 73:28)
Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho (Fitom 3:21)”

·