Ny Anilanao

RyKala Vazo

Ny Anilanao

Vao nanomboka niaina aho dia nahazo fy
Tafapita tao anaty ilay fitia
Nifankahazo am-po hiara-dia
Nifampizara tenimamim-pitia

Tsy hanam-petra ny fiarahana
Matoa isika roa miray làlana
Hodinganintsika ireo sakana
Tsy hampisaraka ny sampanana

Mitambatra mifampitazona
Mitambatra mifampitazona
Milamina tsy misy tahotra
Be ny fifampitokisana
Fitiavana tena matotra
No atolontsika roa e

Mamy ny anilanao, sarotra ny hifandao
Mifikitra ao am-po maharitra tsy mety ho lo
Mamy ny anilanao, sarotra ny hifandao
Efa tsara petraka, mifanojo tsara ny resaka
Avy amin’ny fo tokoa
Tafapita ny antsika roa satria mifampihaino ihany koa
Avy amin’ny fo tokoa
Tafapita ny antsika roa satria mifampihaino ihany koa

Tafiditra tena lalina ao am-po
Miraikitra tsy mety miala ihany koa
Mirindra mifampitaiza tokoa
Sento iray no tafara-droa

·