Ny andro sisa

SLK Ambohidroa

Ny andro sisa




  1. Andriamanitra tsitoha o!
    Nahary sy mpamindra fo
    Hasandratray ny setom-ponay
    Eo anatrehanao ry Ray




  2. Ny andro maro efa lasa
    Zay nanatontosanay asa
    Mikiakiaka miantso ny ondrinao
    Hiverina eo ambalanao




  3. Tsy hoe an-tranonao ihany
    Tanako eram-bazantany
    No hanambarana ny teninao
    Tsy mety levona hatrizao




  4. Ampitomboy ny finoanay
    Zay hany lalana hirosoanay
    Ho amin’ilay tena fiainana
    No handrandrain’ny fisainana




FIV:
Ny andro sisa iainanay anie
Ho santatry ny fifaliam-be
Nomaninao mba ho anay
Ho sambatra mandrakizay


·