Ny anatra

Barijaona

Ny anatra


Ny anatra hono tsy voankazo an’ala
Ka hisy mangidy tsy maintsy aloa
Fa tsipaky ny omby ka tena fandaka
Satria mahafaty raha toa mahavoa


Ny anatra anie toy ny tady atsipy
Ka samy voasingotr’ireny ny miaina
Ny adala mihifika sady mikimpy
Ny hendry mandalina sady misaina


Ny anatra hono fanao ala nenina
Ka harangaranga sy tsy afinafenina
Ny hanongotsongona ny maty ho taitra, ho taitra
Ny mandevim-belona mantsy tsy laitra


Ny anatra hono tsy voankazo an’ala
Ka hisy mangidy tsy maintsy aloa
Fa tsipaky ny omby ka tena fandala
Satria mahafaty raha toa ka mahavoa


Ny anatra anie toy ny tady atsipy
Ka samy voasingotr’ireny ny miaina
Ny adala mihifika sady mikimpy
Ny hendry mandalina sady misaina


Barijaona & Odette Suzannah


·