NY ANARANY ANTSOINA

Ny ANTSAN'NY FAMONJENA

NY ANARANY ANTSOINA


Rehefa vizana ny sandry, eny an-tsaha fiadiana
Raha mikiky ny adin-tsaina, sy ny adin’ny fanahy
Rehefa feno horohoro anaty aizina mangina
Ny anarany antsoina f’ Izy ihany, Izy ihany no mpiahy


Rehefa ditsoka ny maso ka tsy hita izay aleha
Raha mangeja ny alahelo fa namoy havan-tiana
Rehefa farina ny feo kanefa tsisy izay mandre
Ny anarany antsoina f’ Izy ihany, Izy ihany no mpiahy


Fahafirin’ ireo dian-kapoka izay nentiny, no nentinao
Ny dinitra, nirotsaka, niraraka, be toy ny rĂ 
Raha ny hazo fijaliana lehibe izay nentiny, no nentinao
Fa fahafirin’ izay nentiny ny anao


Efa nihafiany, efa nijaliany, namoizany ny ainy
Na fitomaniana, hazo fijaliana, samy efa nolanjainy
Amin’ny lalan-tsarotra sady feno mikitaona
Ny anarany antsoina f’ Izy ihany no eo akaikinao eo foana.


·