Ny Anaranao

AFAS - Antsan'ny FinoanA Soavina

Ny Anaranao


(Unisson Lehilahy)
Maro ny ola-mianjady amin’ny fiainana
Toa mampivarilavo
Karazan’aretina sy fahoriana,
tsy hita ny hanaovana azy.
Niantso an’izao rehetra izao.

tsy nisy fanafana tsy natao.

Fa hafa ihany, hafa ny Anaranao.


(Unisson Vehivavy)
Fahotana mangeja, làla-mideza
iainana eto an-tany.
Androany mitsiky,
nefa ny ampitso lasa mitomany.
Niantso an’izao rehetra izao,
tsy nisy fanafana tsy natao
Fa hafa ihany, hafa ny Anaranao.


Refrain:
Hafa ihany, hafa ihany ny manana Anao.
Ataonao miavaka ny olona mino
sy miantso ny anaranao.
Na ara-panahy na ara-batana,
n’inona n’inona sedra sy sakana
JESOSY no Anarana manafaka.


·