Ny Anaranao

Amboaram-peo Hoby Vontovorona

Ny Anaranao


Key Bb


1-
Ny Anaranao(naranao) ry Jesosy Tompo,
Mitondra aina vao manala toloko. 
Anarana mamy tsy maty am-poko,
manala avy hatrany(ao am-po)
ny zava-manjo.


Tojo ady mafy ny mpanomponao
tsaroako ato anaty ny Anaranao.
Misava avokoa (avokoa) ny rahona mainty
Rehefa antsoiko ny ANARANAO(Anaranao)


2-
Raha faly ny fonay nomenao ny soa
ny hany tsaroanay tsy maty ao am-po
Ny Anaranao ‘zay namonjy anay
Nanova ho vao ny fiainanay.


Mbola hiraiko ny Anaranao mamy
tsy ho afaka an-tsaiko
fa tsaroako hatrany


T/F Herisoa Rakotoarivony


·