NOTIAVINAO

ISAAC DE PAUL

NOTIAVINAO


Navadikao , ny pejin’ny tantarako
Navalonao tanteraka ireo lasako
Tao anaty fijaliana, tsy nisy fifaliana
Torovan’ity fiainana ity


Dia tonga ianao, noraisinao ny tanako
Izaho efa tao anatin’ny famoizam-po
Nosakambininao aho, ho eo anilanao aho
Dia nofafanao ireo ranomasoko


  #Ref :

Notiavinao aho Tompo ô!
Satria Tinao aho Tompo ô!
Tsy fantatro ny antony
Izaho notoloranao fitia
Tsy toy izao aho anio
Raha tsy notiaviNao

Natombokao, tantaram-piainana vaovao
Dia nokosehinao , ireo omalin’ny talaho
Toa nofinofy sisa, ireo lasa tsy voaisa
Niaretako, ireo fahorim-panahy


Nivadika , tanteraka ny fiainako
Satria ianao no lasa fitarainako
IZAHO ILAY NIADY IRERY
TOA TSY NISY TE HIJERY
NANJARY NANAN-KIANTEHERANA


·