Notiaviko Ianao
KINTANA TELO
Notiaviko Ianao
- Notiaviko ianao satria amiko
Fo sy fanahy tsy nindramiko
Nakamban’ny vintana mba hifandray
Hiaraka ho mandrakizay
(×2)
Ref : Tsy mba rendrarendra na bika manaitra
Na ho latsa-danja ny angolavaitra
Fa tena fitiavana iray sarobidy
Fa raikitra mafy ao am-bata mihidy
(×2)
(Interlude)
- Nitia ahy ianao satria tsapanao
Ny lanjan’ny toky natolotro anao
Fitia tsy mba miova, fitia tsy terena
No voady sy dina nekena
Ref : (×2)