Notefenao

SLK Ambohidroa

Notefenao


1- No tefenao izahay
Namboarinao ny fo
Navaozinao mba hiova indray
Ireo toetra teo aloha
Indrindra ireo ambom-po
Nanarinao, ka indro niova fo


2- Izao vao tsapanay
Fa Ianao tokoa ilay Ray
Nanafaka anay, tamin’ny ditranay
Ireo anatranatrao
Avy amin’ny teninao
No nahatonganay, ho olom-baovao


FIV:
Ka mitafia (hoy Ianao), famindram-po
Fahandeferana (Ary koa), fanetretena
Mba ahafantarana (F’iray)
Ao amin’I Kristy (Jesoa)
F’izaho sy ianao dia ho velona indray


·