Nosaronako

AmbondronA

Nosaronako


Ireny adiko fahiny
Izay natrehako mangina irery
Mba niriko nozaraina
Amin’iza aho nefa no hitaraina
Niainako izany, fiainako izany


Tsy hoe manentsin-tadiny
Ny eso lava tsy fifaliana
Eny… tsy mahavita tena
Raha vesatra no heno aleo irery
Niainako izany, fiainako izany
Nikiry aho mba hitàna
Vitako teny ihany


Ref : Nosaronako ilay “tsy mivaky loha”
Mba tsy ho hita
Ireo hatrizay tsy ho tanty tato anaty
Tsy vitan’ny miara dia
F’hianarana ny mitia
Mifampihaino mba hifameno


Raisiko ho toy ny sedra
Tsy lavo aho, tsy hianjera
handrosoako hitrakako
Lanitra manga no hiandrandrako
Niainako izany, fiainako izany
Nikiry aho mba hitàna
Vitako teny ihany


·