Noho Ianao

Antoko Mpihira MORIA

Noho Ianao


1-Noho Ianao nandray ahy ho zanakao
Noho Ianao nanoratra ny lalako
Hanara-dia Anao Jeso Kristy malalako
Ka nanokafanao ny mason’ny fanahiko


Ref: Misaotra Anao aho
Misaotra Anao aho ry Andriamanitro


2-Noho Ianao efa nilaza tamiko
Fa irinao ho Anao ny olon-drehetra
Noho Ianao nanokatra ny foko
Mahay mitory amin’izay mitoloko


3-Noho Ianao hany antom-pahavelomako
Dia ho Anao mandrakizay ny voadiko
Ka tano aho tsy hisaraka Aminao
Anio ambara-pahatapitra ny androko


·