NOHO IANAO
ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
NOHO IANAO
Matoa izaho sy ianao, velon’aina toy izao
Dia nisy olona, nijaly sy nitolona
Ny tsemboka nipatraka
Ny rany koa niraraka
Ny eso, latsa tsy mba novaliany
Satria ianao tiany
Matoa izaho sy ianao, velon’aina toy izao
Dia nisy olona, nijaly sy nitolona
Ny tsemboka nipatraka
Ny rany koa niraraka
Ny eso, latsa tsy mba novaliany
Satria ianao tiany
Tsy misy toy izany raha fitia
Ilay avy Aminao ry Jesoa tia (2)
Tsy misy toy izany raha fitia
Ilay namoizanao ny ainao tao Kalvary
Matoa izaho sy ianao, velon’aina toy izao
Dia nisy olona nanao ny ainy ho sorona
Niafy sy niaritra
Ny tenany nivanditra
Ny lapasoa dia nafoiny
Mba tsy hahavery anao intsony
Tsy misy toy izany raha fitia
Ilay avy Aminao ry Jesoa tia (2)
Tsy misy toy izany raha fitia
Ilay namoizanao ny ainao tao Kalvary
Tsy misy toy izany raha fitia
Ilay avy Aminao ry Jesoa tia (2)
Tsy misy toy izany raha fitia
Ilay namoizanao ny ainao tao Kalvary
Lalao RANDRIANARISON