Noheverinao adala aho

DOudou Michel

Noheverinao adala aho


Noheverinao adala aho
Fa niantso, nitalaho
Nidradradradra sy nivazavaza
Nikiakiaka toy ny zaza


Nanaitra anao aho mba hiarina
Nanambara taminao ny marina
Nangina aho fa tsy nohenoinao
Tsy namaly ianao nantsoina


Efa lany izao ny solika
Efa ho faty koa ny jiro
Efa mangina aho no mandona ianao
Miantso, miangavy, mitalaho


Aza fohazinao ny lasa
Avelao ireny hivalona any
Fahendrena ho anao ny miala
Satria noheverinao adala aho


Fony aho mbola tia
Niandrandra anao mba ho doria
Noesoinao sy nambaniana
Niavonanao, tsy novaliana


Fony aho mbola tia
Noesoinao ny hetahetako
Ny hetraketrakao taloha
No namono ilay fitia


·