NOHEVERIKO 0179

BOKIN-KIRA FIDERANA

NOHEVERIKO 0179


1- Noheveriko ho tsara ny safidy
Izay natao na nandramako nigoka ny Amin’ izao fiainana izao
Ka tsy misy izay tsy vita
Rehefa mety ho sitrapo
Hay tsy nahafa-po
Sy tsy tanteraka avokoa
Tsy araka izay nantenaina hoe hitondra soa




  1. Noheveriko fa rehefa miantso ny Anaranao
    Na mameno dabilio
    Ao am-piangonana ao
    Dia ho tafiditra ny lanitra any Aminao Jesoa
    Hay ka mila fibebahana famindram-po
    Mila fanoloran-tena sy fahadiovam-po




  2. Noheveriko ho ny harena sy fahaizana ihany
    no tena lova tsara indrindra eto an-tany
    Kanefa zava-poana sy tsy misy dikany izany
    Raha tsy mikatsaka anao Jeso hatrany




4- Noheveriko fa ny fanaovana adidy sy asa soa
Dia ampy hahatongavako Aminao Jeso
Kinanjo zava-poana sy tsy misy dikany avokoa
raha tsy manaraka ny didin’ny Tsitoha


·