Nofy

Hosea Marlyn

Nofy


Manomboka dia tsotsotra
Toy ny rivotra mahafinaritra mitsotsoka ho ahy
Rehefa eo ianao dia tony aho
Manjavona izay rehetra manakorontana ahy


Soa ianao fa eo (x2)
Mitondra hazavana
Soa ianao fa eo (x2)
Mitondra hafanana
Toa mitsiky ho ahy izao rehetra izao
rehefa eo ianao
Na ny alaheloko aza lasa tiako ho azy
rehefa eo ianao


Isaorako ilay andro nihaonantsika
Fanahy roa no nifanena toa ny efa nifankahita
Tsy ho atakaloko natokako ho ahy ireny
Toa miato ny fotoana rehefa isika mifampijery
Tsy ho atakaloko natokako ho ahy ireny
Toa miato ny fotoana rehefa isika mifampijery


Raha manonofy aho aza avela hifoha
Avelao hiroboka lalindalina kokoa


Soa ianao fa eo (x2)
Mitondra hazavana
Soa ianao fa eo (x2)
Mitondra hafanana
Toa mitsiky ho ahy izao rehetra izao
rehefa eo ianao
Na ny alaheloko aza lasa tiako ho azy
rehefa eo ianao


Ka
mijanona eo, mijanona eo, mijanona eo anilako eo (x4)


·