NOFY

Tarika Hasina

NOFY


NOFY,,


Fa tao ambany ravim-be
Nifanenjehanay sy izy
Nipotrapotraka ny hatsemboanao,,
Raiki-tahotra ny sainao..
Fa sendra ity fahavalo..
Mietraketraka sady mpisompatra…
Mitsiriritra ny efa an-tànana,
Masiaka sady romotra,,


Torovana, toa reraka..
Ny fijeriko anao hatreo,,
Tomany ianao,,
Toa tsy nino aho fa,,,
Nanonofy anao aho,,


Izaho zay mbola sondriana
Tsy nana-mpo n’inoninona
Nioty voankazo ho anao,,
Nioty ny mamy ho anao,,


Fa taitra tampoka teo,,
Nahare feo nentin-drivotra
Nihananantona niantefa,,
Nihamafy nampitsetra,,
Niantsoantso mafy hoe :
Mba vonjeo aho ampio re
Tomany ianao toa tsy nino aho fa:nanonofy anao aho,
Nanantona aho, nitsena anao,,
Indro ianao niantoraka,,
Nanoroka toa tsy nisy akory izay,, izay nanenjika anao,,
Torovana,, toa reraka,,,,,
…,,,,,,,,,,,


·