Nofinofy mamy

Rija Ramanantoanina

Nofinofy mamy


Nofinofy mamy, tsy lany
No tazako eny aminao
Mampitsiriritra maditra
Tsy hitako izay atao


      Nofinofy mamy, tsy lany
No indro fa omeko anao
Zaraiko tsy eken’ny saiko,
Fa tsy tia tena aho

Hirahira tsotra mampivoitra
Fa namako ianao.


      Hirahira soa, vokatry ny fo
Dia izaho sy ianao mifankahay
Fatratra,kanto izy zay..

Fa fitiavana mbola hafa hay
No nampihavana, nampifandray
Ny fianantsika no hitsara,
Ny soa avela ho tantara.


·